Jeremia 37:10-16 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanĂ na ity amin'ny afo.

11. Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,

12. dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.

13. Ary raha tonga teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.

14. Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.

15. Ary tezitra tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.

16. Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,

Jeremia 37