16. Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
17. Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany.
18. Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.
19. Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
20. Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
21. Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
22. Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
23. Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
24. Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.