26. Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
27. Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: MitsangĂ na, ka vonjeo izahay.
28. Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanĂ nanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.
29. Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
30. Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.