Jeremia 2:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:

2. Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan'i Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan'ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin'ny tany tsy mbola nifafy zavatra;

3. Masina ho an'i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin'ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.

4. Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry taranak'i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin'ny taranak'Isiraely!

5. Izao no lazain'i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan'ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?

6. Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?

Jeremia 2