Jeremia 18:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.

12. Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.

13. Koa izao no lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.

14. Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?

15. Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,

16. Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.

17. Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany loza.

18. Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.

Jeremia 18