5. Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
6. Ho faty na ny lehibe na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany;
7. Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin'ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;
8. Ary aza miditra ao amin'ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.
9. Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina.