Jeremia 11:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.

11. Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.

12. Dia handeha ny tanĂ nan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.

13. Fa araka ny isan'ny tanĂ nanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.

14. Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.

Jeremia 11