Jeremia 11:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:

2. Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema,

3. Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao,

4. Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,

5. Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô!

Jeremia 11