15. Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
16. Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
17. Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
18. Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
19. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
20. Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
21. Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?
22. Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.