18. Noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia efa maintin'ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin'ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
19. Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
20. Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.