Isaia 66:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako ?

2. Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.

3. Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny fahavetavetany,

Isaia 66