Isaia 46:9-13 Malagasy Bible (MG1865)

9. Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,

10. Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,

11. Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.

12. Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:

13. Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.

Isaia 46