Isaia 44:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;

2. Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko;

3. Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao;

4. Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny.

Isaia 44