4. Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao.
5. Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
6. Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany,
7. Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
8. Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
9. Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.