17. Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
18. Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
19. Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20. Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
21. Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
22. Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23. Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24. Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
25. Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.