1. Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
2. Amin'izany andro izany ny rantsan'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely sisa afaka;
3. Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.