Isaia 19:19-22 Malagasy Bible (MG1865)

19. Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.

20. Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.

21. Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drĂ  sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.

22. Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.

Isaia 19