4. Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
5. Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
6. Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
7. Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
8. Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.