1. Faminaniana hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona.
2. Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
3. Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
4. Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,
5. Izay avy any amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
6. Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.