Hosea 3:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.

2. Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin'ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.

3. Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.

Hosea 3