Hosea 2:21-23 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;

22. Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.

23. Ary amin'izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela, Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.

Hosea 2