Hebreo 1:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.)

6. Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).

7. Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4).

8. Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra รด, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;

9. Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).

Hebreo 1