5. Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
6. Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran'ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
7. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin'ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8. Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
9. Hampidi-doza no ihavian'izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.
10. Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.