Genesisy 6:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,

2. dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.

3. Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.

Genesisy 6