1. Ary Josefa nankao amin'i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
2. Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.