Genesisy 44:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;

2. ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa.

3. Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.

Genesisy 44