Genesisy 42:22-38 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.

23. Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.

24. Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.

25. Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.

26. Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.

27. Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.

28. Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?

29. Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy :

30. Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.

31. Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;

32. roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny.

33. Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana;

34. ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany ianareo.

35. Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.

36. Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,

37. Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.

38. Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.

Genesisy 42