Genesisy 41:21-24 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary rehefa nihinana azy izy, dia tsy fantatra akory fa efa mby ao an-kibony ireny; fa mbola ratsy tarehy tahaka ny tamin'ny fahiny ihany izy. Dia nahatsiaro aho.

22. Ary hitako tamin'ny nofiko indray, ka, indreo nisy salohim-bary fito niseho tamin'ny tahony iray, sady vokatra no tsara;

23. ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;

24. ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.

Genesisy 41