2. Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
3. Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
4. Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.