Genesisy 39:20-23 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.

21. Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.

22. Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.

23. Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.

Genesisy 39