7. Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8. Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
9. Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
10. Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
11. Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao;
12. ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
13. Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin'ilay niresahany taminy.