Genesisy 33:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.

4. Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.

5. Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.

6. Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.

7. Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.

8. Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy.

9. Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.

Genesisy 33