Genesisy 32:24-31 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.

25. Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.

26. Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.

27. Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.

28. Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.

29. Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.

30. Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.

31. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.

Genesisy 32