Genesisy 32:12-22 Malagasy Bible (MG1865)

12. O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.

13. Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

14. Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,

15. dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo

16. ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.

17. Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.

18. Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An'iza ianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao?

19. dia lazaonao hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.

20. Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo izy.

21. Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.

22. Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.

Genesisy 32