Genesisy 30:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.

2. Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?

3. Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo amĀ­pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.

4. Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.

5. Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.

Genesisy 30