Filipiana 2:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana,

2. dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,

3. tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.

4. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.

Filipiana 2