Filemona 1:21-25 Malagasy Bible (MG1865)

21. Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.

22. Ary izao koa: Mba anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo.

23. Manao veloma anao Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,

24. sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.

25. Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

Filemona 1