14. Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
15. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16. Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalĂ tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalĂ tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.
17. Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
18. Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao?