Ezekiela 36:6-13 Malagasy Bible (MG1865)

6. Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,

7. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.

8. Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.

9. Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;

10. Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanĂ na, ka haorina indray ny efa rava;

11. Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

12. Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.

13. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao,

Ezekiela 36