6. Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.
7. Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,
8. Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny sabatra.