Ezekiela 35:11-14 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin'ny hitsarako anao.

12. Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.

13. Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.

14. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,

Ezekiela 35