Ezekiela 34:24-28 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.

25. Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.

26. Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.

27. Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.

28. Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.

Ezekiela 34