Ezekiela 34:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?

3. Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.

4. Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.

5. Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.

6. Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.

7. Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:

8. Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,

Ezekiela 34