Ezekiela 30:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.

10. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta.

11. Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.

12. Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.

13. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;

14. Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;

15. Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.

16. Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro.

Ezekiela 30