Ezekiela 30:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: MidradradradrĂ  ianareo! Indrisy ny andro!

3. Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.

4. Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.

Ezekiela 30