Ezekiela 3:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.

2. Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.

3. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.

4. Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.

5. Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;

6. tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.

Ezekiela 3