Ezekiela 13:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.

3. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.

4. Tahaka ny amboahaolo any an-tanĂ na haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.

5. Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.

Ezekiela 13