17. Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.
18. Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19. Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
20. mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21. Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.