1. Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
2. Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
3. Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
4. Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.