Eksodosy 36:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.

2. Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.

3. Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra reĀ­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.

4. Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,

Eksodosy 36